Psalms 52

Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava

Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida,

1 2fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka.

3Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva. 4Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka. 5Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. [Sela.] 6Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka. 7Andriamanitra kosa hanimba
Na: hanongana.
anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.]
8Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe: 9Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany. 10Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho. 11Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany.
Copyright information for Mg1865